Safidy politika no hisokajian-dRandrianarivelo Lalaina ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena tarihan’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy avy amin’ny FFKM izay hizorantsika ankehitriny.
Tsy mandray anjara mivantana amin’izy io ny sehatra tsy miankina saingy hahazo tombony goavana amin’ny fahombiazan’ity fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy ity ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, hoy ny tale ara-barotra avy amin’ny orinasa ao Ambatovy. Tsy milamina hatreto ny lafiny politika eto amin’ny firenena ary tena marefo ny sehatry ny fampiasam-bola hatramin’ny taona 2009 nisian’ny korontana teo amin’ny fitantanana ny Nosy. Manamafy izany ny laharan’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fampiasam-bola navoakan’ny «Doing Business 2015» farany teo izay nivarina laharana 6 be izao. Resy lahatra moa ity teknisianina mpandraharaha ity fa hitondra rivo-baovao amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny toekarena Malagasy ny vahaolana fifandaminana ateraky ny fifampidinihan’ny samy Malagasy. Aminy dia antoky ny firoborobon’ny fandraharahana ny fahombiazan’ny fampihavanam-pirenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.