Politique

Fahitan’ny ONU ny fifidianana filoha Manga ny lanitra hatreto, hoy i Abdoulaye Bathily


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Nifarana omaly talata 25 septambra ny iraka nataon’ny Mpanolotsaina manokan’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, Abdoulaye Bathily, izay nigadona teto Antananarivo ny 18 septambra teo.

 

 

Nalefa hanao tombana mikasika ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, ary efa iraka fanindroany nataony io. Nihaona tamina mpisehatra sy tompon’andraikitra maro, toy ny filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao, ny praiminisitra, filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny teo anivon’ny CENI, ny teo anivon’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) sy ireo minisitra voakasika amin’ny resa-pifidianana. Nihaona ihany koa tamin’ireo filoham-pirenena teo aloha. Nihaona sy nifandinika tamin’ny solontenan’ireo firenena mivondrona hanampy an’i Madagasikara izy. Niara-dalana taminy hatrany tamin’ny iraka nataony ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto amintsika Violette Kakyomya. Tao anatin’ny fihaonana sy fakan-kevitra samihafa no nahafahan’ity iraka ity nilaza ny fahafaham-pony amin’ny ezaka ataon’ny mpisehatra samihafa amin’ny fahavononana hampisy lamina sy rindra ary fitoniana hirosoana amin’ny fifidianana malalaka sy madio ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ao anaty fitoniana sy filaminana. Nanipika  ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny hanampiana an’i Madagasikara, indrindra fa amin’ity fifidianana ity iraka ity, ary niarahaba ihany koa ny ezaka nataon’ny firenena mikambana, ny vondrona Afrikanina, ny SADC, ny Vondrona Eoropeanina sy ny Frankofonia amin’ny tsy famelana irery an’i Madagasikara, mba ho amin’ny tombontsoan’ny Malagasy. Manga izany ny lanitra amin’ny ankampobeny raha ny tatitra nataony ka dia ho hita eo tokoa ny fahamarinana na fahadisoany amin’ny fifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT