Politique

Fahendren’i Marc Ravalomanana Mankarary an-doha ny sasany


  • Talata 05 Mey 2015

Mampieritreritra ihany indraindray ny fihetsika na ny fomba fitenin’ny vondron’olona sasany ary misy mihitsy ireo tsy vonona amin’ny hisian’ny fitoniana sy filaminana eto

 
. Niha nahery vaika indray ny fanenjehana sy fanosoram-potaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana taorian’ny nahavitan’ilay fihaonambe ho amin’ny fampihavanam-pirenena teny Ivato. Nankalazaina fa i Marc Ravalomanana no tena nahazo tombontsoa, na koa ny hoe tsy mety ny fifonana ampahibemaso nataony fa tsy maintsy tsaraina izy. Samy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny moa io fa ny tsy azo odian-tsy hita kosa dia niavaka tamin’ny fihaonambe rehetra natao hatrizay iny notarihan’ny FFKM iny noho ny fandraisan’anjaran’ireo filoham-pirenena nifandimby nitondra teto, ary raha taty amin’ny kontinanta Afrikanina dia tsy mbola nisy ny tahaka an’izany. Mazava koa eto ny resaka fa nampiseho fahendrena tena lehibe Atoa Marc Ravalomanana, izay tsy mba nirehareha na nampidera fahaizana amam-pahalalana, fa tena nandefitra, nanetry tena niandry ary nanaiky ny hifampidinika na dia voatohintohina aza ny zo aman-kasiny. Mialoha izao dia mbola fahendrena lehibe ihany koa ny nanekeny hanao sesitany ny tenany rehefa avy namindra ny fahefana tamin’ny miaramila mba hitandrovana ny firaisankinam-pirenena. Efa nilaza izy tamin’ny 2009 fa tsy izy mihitsy no hampiady ny samy malagasy na hanome baiko  ny rezimanta mpiambina azy manokana mba hanafika ireo andiana miaramila nioko. Toa misy ny olona sasany manao ririnin-dasa tsy tsaroana ka tsy mahatadidy izany tantara izany fa faly hanaratsy fotsiny, ary tsy maika amin’ny hilaminan’ity Madagasikara ity.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT