Politique

Fahefana mpanatanteraka Minisitra tsy tompon’andraikitra


  • Talata 09 Septambra 2014

Mahoraka be tato ho ato ny mety hisian’ny fanovana ireo minisitra mandrafitra ny governemanta

Tsy fantatra mazava ny mampitombina na tsia io siosion-dresaka io. Azo adika ho manamarina izany ve anefa ny fanambaran’ny praiminisitra vao tsy ela akory izay fa tsy hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara ny fanoloana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Teo ihany koa ny fampiantsoan’ny filoham-pirenena ireo minisitra sasantsasany hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ireo adidy aman’andraikitra nampanaovina azy ireo. Ny zava-misy aloha dia toa variana mamono afo amin’ireo karazana hetsika fitakiana etsy sy eroa ny mameno ny fandaharam-potoanan’ireo mpikambana eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka tao anatin’izay 5 volana nanendrena azy 31 mianadahy izay. Hita ho mifantoka betsaka amin’ny fandaharanasa vonjimaika ihany koa ny asa nosahanin’ireo mpikambana eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka hatramin’ny volana aprily nanendrena azy ireo. Tena voaporofo  ankehitriny fa tsy niomana amin’ny fitantanana ny firenena ireo sokajin’olona mpanatanteraka nametrahan’ny vahoaka ny fitokisany sy nampindraminy ny fahefana satria na ny politika ankapoben’ny fanjakana na ireo paikadin’ireo minisitera isanisany dia toa vonjy tavanandro fotsiny. Fanontaniana mipetraka eny anivon’ny fiarahamonina mantsy amin’izao fotoana izao ny hoe tena mifanaraka amin’ny toerana nametrahana azy ireo tokoa ve ny diplaoma sy sy fahaizan’ireo minisitra hanala ny fahasahiranan’ny malagasy ireo ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT