Politique

Fahefan’ny fitsarana avo Tsy araka ny niheverana azy


  • Alarobia 10 Desambra 2014

Fantatra izao fa dia efa vita ireo volavolan-dalŕna entina manangana ny fitsarana avo na Haute Cour de Justice. Raha ny hita ao anatin’izany anefa dia toa vao mainka manome vahana ny tsimatimanota ilay volavolan-dalŕna voasoritra.

Mizara telo ny hevi-dehibe ao ka tsy dia hita taratra loatra ny tena sazy henjana izay mety ho azon’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena. Tsy misy afa tsy ny fampiatoana ny filoham-pirenena amin’ny asany ihany no azo atao fa raha ny sazy toy ny fanagadrana dia tsy azo atao. Raha misy fahadisoana goavana ataon’ny mpitondra dia ho afaka moramora ihany izy ireo. Voalaza ihany koa fa tsy maintsy mahangona sonia miisa 580 avy amin’ny olom-boafidy izay vao azo atao ny mitory. Ny 500 amin’io sonia io dia an’ny ben’ny tanàna eran’i Madagasikara, ny 80 an’ireo solombavambahoaka ary ny 30 ambiny dia an’ny loholona. Mila miandry enim-bolana  ihany koa farafahakeliny izay vao azo dinihina ny raharaha noho ny dingana maro izay mbola arahina ary tsy maintsy mila ny vato 2/3 an’ireo depiote vao azo alefa ny fitoriana. Mialoha io anefa dia misy ihany koa ny vaomiera miisa 15 izay samy ahitana ny solontenan’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fitsarana. Maro ny milaza fa  toa filana voatsihary ihany no nataon’ny mpitondra teo am-pamolavolana iny lalàna iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT