Na dia nisy ihany aza ireo nifetifety kely teny an-jorony dia tsy nanaitra ny olom-pirenena firy tamin’ny ankapobeny ny fahazoana filoham-pirenena vaovao, hitantana mandritra ny dimy taona indray. Toa fahanginana no re teny rehetra teny.
Raha araka ny fanadihadiana natao tamina sokajin’olona maro dia betsaka ireo antony nahatonga izany. Tao ireo tsy afa-po tamin’ny voka-pifidianana ka nalahelo ary nangina tanteraka. Misy indray ireo nilaza fa tsy filoham-pirenena vaovao io voafidy io fa efa teo ihany no niala ary efa hita ny asany. Ho an’ny sasany indray dia ilay fiainana amin’ny andavanandro mihitsy no tena manery. Raha vao manary fotoana kely dia efa tsy feno ny vola entina mody hividianana sakafo ny ampitso ka aleo mitady ihany na inona na inona mitranga. Miandry ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena vaovao ny rehetra. Ho an’ireo tsy an’asa dia manantena ny hahita asa izy ireo. Manantena ny hahazo karama ambonimbony kokoa kosa ireo efa manana anton’asa. Tsiahivina fa lehilahy iray 41 taona, no tratry ny AVC tampoka tany Toamasina vokatry ny hafaliany tamin’ny fahalanian’ity filoha vaovao ity satria hahazo asa tsaratsara kokoa, hono, izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.