Na dia teo aza ny filazan’ny minisitry ny fitsarana fa mandeha ny fanadihadiana manodidina ny fomba nahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto Madagasikara, tamin’ny daty izay tsy mbola voafaritra mazava tsara hatreto aloha dia mijanona ho mistery iny raharaha iny
. Manjavozavo tanteraka ny resaka, nahafantara ve fa nody fanina ny mpitondra fanjakana ? Raha eny, iza avy ireo nahafantaratra fa ho avy eto Madagasikara i Marc Ravalomanana ? Ary raha nisy ny fifanarahana mialoha, inona no mety antony niovan’ny toe-draharaha tampoka ? Hatramin’izay dia mahoraka fa tany Antsirabe no nipetraka ilay fiaramanidina kely nitondra ity filoha teo aloha ity. Tsy mbola fantatra kosa hoe avy aiza marina izy no niainga ? Tao Afrika atsimo dia nivantana taty Madagasikara ve sa avy aiza ? Ny faran’ny herinandro teo anefa dia hafahafa ihany ny filazan’ny tale jeneralin’ny ACM fa tsy tena mbola azo antoka mazava tsara fa Atoa Ravalomanana no tao anatin’io fiaramanidina tonga tany Antsirabe io. Raha izany no izy, nahoana no nogadraina avy hatrany i Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM tany Antsirabe ? Teny amin’ny Magro dia re tamin’ny kabary tamin’iny herinandro iny fa hoe tao Ivato no nidiran’Atoa Ravalomanana teto Madagasikara fa tsy tany Antsirabe izany. Nahoana no tsy nisy manampahefana nandiso na nanamarina io resaka io hatramin’izao ?Ankoatr’izay dia niaraha-nahita fa nihazakazaka be ny fampihavanan’ny FFKM vantany vao tonga teo Madagasikara ity filoha teo aloha ity, nanomboka namerina niresaka famatsiam-bola ihany koa ny avy any ivelany ary nampatsiahy ny fepetra tsy maintsy arahana. Farany teo dia nahitsy fiteny ny Amerikanina niantso ny filoha Rajaonarimampianina hiara-kiasa amin’i Marc Ravalomanana sy ireo filoha nifandimby teto. Inona marina no ao ambadik’izany rehetra izany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.