Politique

Fahatongavan-dRavalomanana Hanafaingana ny fampihavanam-pirenena


  • Alatsinainy 10 Novambra 2014

Nanova zavatra betsaka eo amin’ny fizotran’ny raharaham-pirenena ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana tsy nampoizin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika amin’ny ankapobeny.

Hery roa lehibe mifanohitra no misongadina ankehitriny taorian’iny vaovao tsy manam-paharoa ho an’ny vahoaka Malagasy iny dia ireo manohana ny fanatanterahana haingana ny fampihavanam-pirenena sy ireo miezaka ny hampitarazoka faran’izay zokiny ny fanatontosana ny fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy. Làlana tokana mitondra mankany amin’ny filaminana sy fitoniana eto Madagasikara ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana ao anatin’ny fanajana tanteraka ny soa toavina Malagasy, araka ny fahitan’ny fiaraha-monina sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy. Tsy mizara io fomba fijery io kosa anefa ny mpitondra fanjakana sy ireo tsy mankasitraka ny fodian’ny filoham-pirenena teo aloha eto an-tanindrazana, raha ny fihetsika ivelany hitan’ny mpanara-baovao ankehitriny. Ny tena mahagaga dia ny filazan’ny filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra handray an-tànana ny fampihavanana saingy toa miendrika fampandriana adrisa fotsiny ilay izy hatreto. Dia mbola tsy ampy ihany ve ny krizy novolena teto nandritra ny 5 taona mahery e …. !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT