Manoloana ny resaka mandeha sy ny momba ny olana misy eto amin’ny tanŕnan’Antananarivo dia nilaza ny heviny ny PDS Ny Hasina Andriamanjato. Nambarany fa misy ny lalŕna izay tena manimba ny fomba fitantanana ny tanŕnan’Antananarivo ka mahasarotra ny fampandrosoana. Ny rafitra mamehy sy mandrindra ny tanŕnan’Antananarivo dia anisan’ny olana lehibe amin’ny fampandrosoana ifotony
. Na tsy nilaza mivantana aza ny PDS dia fantatra fa ny fanaovan’ny fanjakana ankilabao ka tsy hanomezana fanampiana mivantana entina hanatsarana ny tanànan’Antananarivo no tiany hambara. Etsy an-kilany sarotra, hoy izy, ny pitsopitsony ara-taratasy sy ny lalàna harahina rehefa haka ny vola tokony ho anjarany Antananarivo. Araka ny nambarany hatrany dia misy ihany ny vola azo ampiasaina saingy ny kipitsony hangalana azy no mavesatra. Manoloana izany dia nilaza ny PDS fa efa nisy ny vola mitentina 9 miliara Ar nangatahina tamin’ny fanjakana ny volana mey lasa teo saingy zara raha nisy 5 tapitrisa Ar no azon’izy ireo. Antso avo noho izany no nataon’i Ny Hasina Andriamanjato mba hifanomezan’ny tsirairay tanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.