Tsy misy vokatra afa-tsy ny fahantrana ny 55 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny fikambanana Vonjeo ny Malagasy- Vonjeo i Madagasikara Faharo Ratsimbalson. Mihazakazaka aorian’ny vola fotsiny ireo mpitondra manampahefana rehetra nifandimby nitantana ny firenena Malagasy
. Tanjona nitovizan’ireo mpanao politika nandritra ireo fitondrana nisesy hatramin’ny taona 1960 ny hipetraka maharitra amin’ny toeran’ny olom-panjakana ambony. Namono ny mpiray tanindrazana ireo avara-pianarana Malagasy fa tsy nikatsaka velively ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa. Manamora ny asan’ireo firenena vahiny te hanjanaka amin’ny endrika vaovao an’i Madagasikara ny korontana haterak’io vokatry ny fitsarana fanonganana ny filoham-pirenena eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana io, hoy ity solombavambahoakan’i Madagasikara in-telo nisesy tao amin’ny distrikan’i Belo/Tsiribihina nanomboka tamin’ny taona 1993 hatramin’ny taona 2008 ity. Vonona aho ny hanavotra sy hanome tanana ny fanjakana Malagasy, hoy i Faharo Ratsimbalson nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Motel Anosy omaly.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Ny filohan’ny fikambanana VM- VM Faharo Ratsimbalson
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.