Politique

Fahantrana sy fahapotehan’i Madagasikara Fotoana hijoroan’ny vahoaka izao


  • Alarobia 18 Martsa 2015

Tsy ireo firenena vahiny toa an’i Frantsa mihitsy no hitondra na hanampy ny vahoaka Malagasy hivoatra sy hanome ny paikady fampandrosoana, hoy i James Ratsimba. Efa voaporofo izany nandritra ny 50 taona mahery niarahana niasa taminy

 

. Fitaka, fihatsarambelatsihy, fanakorontanana sy fanapotehana no mahatonga izao fahantrana mangitsokitsoka eto Madagasikara izao. Fiaraha-miasa ho fiarovana ny tombontsoan’ny vahiny tsy manaja ny fahaleovantenan’ny firenena Malagasy no nanjaka sy tadiavina mbola hotohizana eto. Misy ny firaisan’izy ireo tsikombakomba amin’ireo mpitondra mpanao kolikoly ka tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara ho lasan’ny vahiny. Efa tsara ny namalian’ny mpitondra fanjakana ny fanakianan’ny masoivoho frantsay ny fitantanan-draharaham-pirenena. Andrasana kosa ny fanaporofoana amin’ny asa izay kabary natao. Azo atao, ohatra, ny manapaka ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena tsy manaja ny fiandrianana ho fanavotana ny taranaka Malagasy. Mihevitra rahateo i James Ratsimba fa fotoana hijoroan’ny vahoaka Malagasy ho taom-panafahana ity 2015 ity.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT