Raha aty Afrika no jerena dia anisan’ny firenena tena mbola milamina i Madagasikara na dia mandalo krizy matetika aza. Saika nisy hatrany ny ra latsaka tamin’ireny lazaina hoe tolom-bahoaka niseho rehetra ireny.
Na dia izany aza dia tsy azo oharina akory amin’ireo firenena niezaka nitady fanovana izay tena nahitana korontana sy faty olona maro be. Namaky bantsilana mihitsy ny solontenan’ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) fa antony tsy mampandroso an’i Madagasikara ny fahanginan’ny mponina manoloana ny fitantanana tsy mety ataon’ny mpitondra. Rehefa misy ny tsy mety, hoy izy dia adidin’ny vahoaka ny miteny sy maneho hevitra ary midina an-dalambe na manao fitokonana mihitsy aza raha ilaina. Tahaka ny amin’ny firenen-dehibe sy mandroso izay tsy manaiky lembenana rehefa misy ny tsy mety dia tokony handray lesona ny Malagasy. Vokatry ny fahanginana mantsy dia manao ny ataony tokoa ny mpitondra ary hita manaraka ambokony sy mimonomonona fotsiny ny vahoaka. Ny zavatra hita ihany koa anefa dia ampahantraina mihitsy ny Malagasy, hany ka tsy mahatraka sy mahavita manao fitakiana intsony fa variana amin’ny fitadiavana isan’andro. Ankoatra izay, mampalaza ny mpitondra eto Madagasikara ny mampiasa herim-pamoretana rehefa mba maneho hevitra ny mponina, hany ka tsy afa-mandroso mihitsy ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.