3 volana latsaka izay no efa nikatso ny fiainam-pirenena vokatry ny fifanonganana teo amin’ny fahefana mpanao lalŕna sy ny fahefana mpanatanteraka. Mivaralila tanteraka ny fitantanana ny raharaham-panjakana
. Tsy nijanona tamin’ny lafiny politika irery intsony ny olana fa niitatra hatrany amin’ny fahasahiranana ara-toekarena sy ny sehatra mahakasika ny sosialim-bahoaka mihitsy. Soso-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana moa ny fametrahana ny «pacte de responsabilité» eo amin’ireo andrim-panjakana roa ireo. Nivadika ho fanaovan-tsonian’ireo solombavambahoaka ny «mémorandum pour la stabilité» indray anefa izany ankehitriny.
Aorian’ny 7 septambra
Hanamafisana ity rangopohin’ireo depiote maro an’isa vonona ny hanohana ny fandaharanasam-piarahamonin’ny filoham-pirenena ity moa ny fihaonana eo amin’ny roa tonta. Tsy ho tontosa anefa izany raha tsy aorian’ny 7 septambra 2015, fotoana hiverenan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena eto Madagasikara manatrika fivoriana ofisialy iraisam-pirenena any Etazonia. Miankina betsaka amin’ny vokatr’io fifampidinihana eo amin’ny Iavoloha sy Tsimbazaza io ny ho tohin’ny fiainam-pirenena tahaka ny fisian’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimieram-pirenena handinihana sy hankatoavana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2015. « Tena hahavaha ny olan’ny fiarahamonina Malagasy tokoa ve ny fampiharana ny antontan-kevitra fampatsiahivana mitondra mankany amin’ny fitoniana ? », hoy ny fanontaniana miverimberina ao ambavan’ny olona.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.