Politique

Fahafahan’i Marc Ravalomanana Andrasana ny fivoahan’ny taratasy ofisialy


  • Alatsinainy 04 Mey 2015

Miandry am-pitoniana ny fivoahan’ny taratasy ofisialy voasonian’ny filohan’ny repoblika momba ny fanafoanana ilay didim-panjakana nivoaka tamin’ny 24 desambra 2014 ka mametra ny fahafahany mivezivezy Atoa Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy

 

Miandry am-pitoniana ny fivoahan’ny taratasy ofisialy voasonian’ny filohan’ny repoblika momba ny fanafoanana ilay didim-panjakana nivoaka tamin’ny 24 desambra 2014 ka mametra ny fahafahany mivezivezy Atoa Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy. Fanambarana am-bava ihany mantsy no mbola nataon’ny filoham-pirenena teny Ivato fa tokony horaketina an-tsoratra mazava mba ho ara-dalàna ilay izy. Tenin’olon-dehibe moa ny teny Ivato koa inoana fa hivoaka tsy ho ela ny taratasy manamarina fa tena afaka tanteraka i Dada, hoy ireo mpomba azy. Andrasana ihany koa ny famerenana ny pasipaoron’ity filoha teo aloha ity izay mbola nogiazan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny moa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT