Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-3 taona nahafatesan’ny minisitra Nadine Ramaroson (28 aogositra 2011-28 aogositra 2014) dia mikarakara hetsika manokana toy ny efa nataony teo aloha ny Vovonana Hafari Malagasy ka fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana
hotanterahina etsy amin’ny sekoly Ste Famille Mahamasina anio alakamisy maraina manomboka amin’ny 8 ora no hatao amin’izany. Filamatra ho anay Hafari Malagasy ny fihetsika fitsinjovana manokana ireo hiharan’ny tsindry hazo lena nataon’ity Reny malagasy tsy nanam-paharoa ity, hoy ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ankoatra izay dia hiavaka koa ity andron’ny 28 aogositra 2014 ity ho anay satria voaantso miaraka amin’ny Ong telo hafa izahay hifampidinika miaraka amin’ny minisitera 6 tonta, hotarihan’ny fitsarana, fanajariana ny tany, fitsinjaram-pahefana mikasika ny lalànan’ny fananan-tany. Mbola voaantso hihaona amin’ny Tale Jeneralin’ny Bianco koa anio eny Antaninarenina ny Hafari Malagasy hiresaka mikasika ny ady amin’ny kolikoly mazava loatra ary farany moa dia tsy ho hadinoinay ny fiaraha-mientana amin’ny mpampianatra Fram eny amin’ny minisitera eny Anosy.Na dia nanitrikitrika aza moa ny fianakaviana Ramaroson fa maty novonoina itompokovavy Nadine Ramaroson dia anisan’ireo « Grands dossiers » nangiana ity raharaha ity ary tsy nisy mpikitika intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.