Olona voafidim-bahoaka i Marc Ravalomanana, hoy Rasambozafy Cyrille mpitarika ny Exopoles/Voarabe, ka raha vahoaka no nanery azy handeha tsy fidiny ho any Afrika Atsimo dia mbola vahoaka ihany koa ireo mangataka ny fodiany ireo mandrak’ity ny androany. Mba tena hahatanteraka ny fampihavanam-pirenena dia mangataka ny fampodiana azy izahay Exopoles/Voarabe.
Fa mbola misy tokoa ve ny mpitondra fanjakana mijery marina ny vahoaka malagasy sy miahy azy ankehitriny ? hoy ity mpanao politika ity, fa ny hita mantsy dia toa ny vahiny hatrany no harovana fatratra ankehitriny ary misy mihitsy firaisana tsikombakomba ataon’ny fanjakana amin’izy ireo. Ravana ny trano dia vahiny no ao ambadika, roahina amin’ny tany nohajariany ny vahoaka dia vahiny no ao ambadika. Maty noho ny hatezeran’ny vahoaka ny vazaha roa tany Nosy be, poa toy izay dia notsaraina ireo fokonolona nahiahiana ho namono azy nefa maty tao amin’ireo nosy manodidina ny Malagasy 9 be izao, tsy nandrenesam-peo ny fitondrana Malagasy hiarovana izany. Atao ny “opération coup d’arrêt”, ny fitanisana ny isan’ny maty no mahamaika ny amoahana azy ka tsy tetika famonoana Malagasy ve izany no tanjona ? Nampanantena ny hanafoana delestazy ny filoham-pirenena tamin’ny fianianana nataony, ny hampiditra mpampianatra Fram rehetra ho mpiasam-panjakana, ny tsy fandoavana vola ny fampianaran-jaza eny amin’ny garabolam-panjakana manerana ny Nosy. Inona no zava-misy iaraha-mahita ankehitriny ? Tena tsy milamina ny tany fa na ny elakelatrano eto Antananarivo aza manjary asiana vavahady avokoa tsy hidiran’ny jiolahy. Giazan’ny zandary any Matsiatra ambony ny omby fiveloman’ny mponina. Tompon’andraikitra amin’izany rehetra izany ny filoham-pirenena fa izahay tsy nifidy jeneraly, na mpitsara, na dokotera sns… Tonga ny afo teny Tsimbazaza saika handoro ny tranon’ny filoha, may ny afo ihany koa ny teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ary mbola nandalovan’ny valala izay mbola mety handalo eny Iavoloha koa raha mitohy fa mbola tao Tsiroanomandidy ry zareo izao. Tsy hisalasalana fa fambara loza voalaza ao anaty Baiboly ireo trangan-javatra ireo ka tokony hieritreritra ny mpitondra antsika. Efa nanambara ny mpaminany fa tsy ho tanteraka ny fifidianana eto amintsika saingy iny noterena toa voalobo-jaza iny. Tsy hisy fanonganana hiseho, hoy izy, fa hirodana ho azy ny fanjakana tsy manao ny marina sy mandaingalainga amin’ny vahoaka. Raha voalaza teo aloha fa eo ambaravarana ny fahantran’ny Gasy, izao efa ao am-bilany mihitsy, hoy Rasambozafy Cyrille. Mety hiitatra hatrany amin’ny fidinana an-dalambe raha ilaina ny hetsika firaisankina iantsoan’ny Exopoles Voarabe an’ireo vahoaka niharam-pahavoazana amin’izao fitondrana izao nefa ny fivoriambe ihany no hanapaka izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.