Politique

Eto an-toerana sy any ivelany To teny i Dada


  • Talata 12 Mey 2015

Araka ny efa nambarany ombieny ombieny dia manokana ny andro sisa iainany rehetra ho amin’ny fikarohana ny hevitra hampandrosoana an’i Madagasikara sy hanomezana fiainana tsaratsara kokoa ho an’ny Malagasy Atoa Marc Ravalomanana.

 



Etazonia sy Japon

Nihaona taminy omaly ny masoivohon’ny firenena roa goavana manana ny maha izy azy eo amin’ny toekaren’izao tontolo izao, dia Atoa Ryuhey Hosoya masoivoho Japoney sy Robert T Yamate masoivoho Amerikanina. Naharitra ora maromaro ny fihaonana. Nivoitra nandritra izany ny tokony hatao hahamarin-toerana ny tontolo politika sy ara-toekarena eto Madagasikara, teo koa  ny momba ny fampandrosoana an'i Madagasikara ary ny hisian'ny fifampitokisana eo amin'i Madagasikara sy ny mpamatsy vola mba ahafahana mampandroso ara-toekarena an'i Madagasikara. Marihana fa mandalo eto amintsika amin'izao fotoana izao ny mpandraharaha Amerikanina ary efa nandalo teto amintsika tamin'ny herinandro ambony teo koa ny mpandraharaha Japoney. 

 

Tsy azo ihodivirana

Manamafy hatrany ny tranga tahaka ity omaly ity fa efa nosokajian’ireo firenena miara-miasa amintsika ho Olobe, raiamandrenin’ny Malagasy ary olona manankasina sy manana ny maha izy azy tsy maintsy anontaniana sy hakana hevitra, raha hiresaka fampandrosoana an’i Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana. Tsy iadian-kevitra intsony fa resy lahatra tamin’ny fomba nitantanany ny firenena ireto firenena vahiny goavana ireto ary nidera ny fahendrena nasehony, nanaiky nandefitra sy nanetry tena ary nandray anjara foana tamin’ny dinika an-databatra nikarohana vahaolana momba ny krizy. Resaky ny olon-tsotra eny rehetra eny ankehitriny ny hoe : tahaka ny efa filoha mihitsy anie ity Dada ity e ! Na koa ny hoe : any amin’i Dadavalo ny lakile amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Raha tsorina ny resaka dia to teny i Marc Ravalomanana ary mbola maro ny matoky azy na ny eto an-toerana izany na ny avy any ivelany. Azo anaporofoana izany ny fientanam-pon’ny olona vantany vao mahita azy eny an-dalambe sy eny amin’izay toerana rehetra alehany sy ny fibosesehan’ireo masoivoho vahiny mihaona aminy isaky ny mihetsika.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT