Politique

Etazonia Ho eo anilan’i Madagasikara hatrany


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Namoaka fanambarana mikasika ny fifidianana notontosaina tamin` ny 07 novambra teo ny Masoivoho amerikanina. Manantitra ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy izahay,

 

 

 

 

hoy ny Atoa Stuart Wilson mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikanina noho ny nandraisany anjara tao anatin’ny filaminana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena amin'izao fotoana tena manan-danja izao eo amin'ny fiainan'ny firenena noho ny fanajany ny fomba amam-pihetsika demokratika. Manohy mamporisika ny fizotry ny fifidianana azo antoka sy marina ary mangarahara i Etazonia. Androany (ndlr: omaly), ankoatra ny fandraisanay anjara amin'ny famatsiam-bola amin'ny SACEM, dia hitsangana indray miaraka amin'ny vahoaka Malagasy amin'ny alàlan'ny fametrahana ireo mpanara-maso manerana ny firenena. Nambaran`i Stuart Wilson, fa tao anatin’ny 150 taona izao no efa niara-dia tamin’i Madagasikara hatrany i Etazonia ho fanohanana ny demokrasia. Nahafaly anay ny nandray anjara tamin’ny fanarahamaso ny fifidianana tsy nahitana fihantsiana na herisetra. Rehefa voafidy ara-dalàna sy mahavita ny fianianany ny Filoha vaovao, dia adidinareo ny mitaky ny tamberinandraikitra avy aminy mba hiantohana ny fanajana ny tany tan-dalàna sy fitondrana tsara tantana. Izahay Amerikana dia hitoetra eo anilanareo Malagasy namanay hatrany ary maneho ny fahavononanay ny mbola hiara-hiasa aminareo ao anatin’ny 150 taona mihoatra manaraka.Nitsidika biraom-pifidianana maromaro niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy avy amin'ny Misionera Amerikana moa ity diplaomaty ity omaly.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT