Nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena teny amin’ny HCC omaly alahady 19 aogositra tamin’ny 11 ora antoandro ny filoha mpanorina ny orinasa guanomad Erick Rajaonary na Erick GUANOMAD.
Maro ny vinam-piaramonina izay notanisainy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy. Eo, ohatra, ny fanovana ny zavatra misy eto Madagasikara, ny tontolo ambanivohitra, ny fambolena sy fiompina ary ny jono, ny fandriampahalemana, ny eo amin'ny sehatry ny fandraharahana, ny fitsarana. Ny tena nampiavaka azy dia ny fanomezany lanja manokana ny vehivavy sy ny tanora. Nahatsapa , aho hoy i Erick Rajaonary fa tokony hakarina ny hasin' ireo vehivahy ary homena fanampiana izy ireo eny anivon'ny fiarahamonina. Ny tanora ihany koa dia hitany fa mila tosika amin’ny sehatra rehetra. Efa nanao ny fampiofanana maimaimpoana moa ity mpandraharaha ity ho an'ireo tanora manerana ny nosy ary maniry ny mbola hanohizana izany . “Sahia manova” ny teny matetika averiny satria vonona izy ny hanova sy hitondra fanovana eto amin’ny firenena. Fanovana tanterahana ao anatin’ny asa sy ny fifanakalozan-kevitra hatrany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.