Politique

Eric Raparison Takona ny lafiny toekarena eo amin’ny fananantany


  • Zoma 12 Desambra 2014

Vina nandritra ny fanjanahantany amin’ny fomba fampiasana tany no mbola hita eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa nisy ny fanavaozana ny politikan’ny fananantany tamin’ny taona 2005 saingy mbola nijanona teo amin’ny fiarovana ny zo amin’ny fananantany ny resaka. Maneho ny heviny mikasika ity tontolo goavana manahirana ny fiarahamonina Malagasy ity anio eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana i Eric Raparison, mpandrindra nasionalin’ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany. Resadresaka.

Tia Tanindrazana (TT) : Azo faritana tsotsotra ve ny antsoina hoe «Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany» ?

Eric Raparison (ER) : Fitaovana voalohany entin’ny tantsaha mamokatra ny tany. Nanana olana amin’ny fisitrahana sy fiantohana ny fizaka-manana anefa izy ireo ka nanangana ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany izay vovonana fikambanana naorin’ny tantsaha niainga tamin’ny Fifata tamin’ny taona 2003. Tanjony kosa ny fanampiana ny fanjakana amin’ny alalan’ireo karazana tolo-kevitra ho fanatsarana ny politikan’ny fananantany. Nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanovana ny politikan’ny fananantany tamin’ny taona 2005 ny SIF. Mbola ahitana lesoka anefa izy io ka mbola mitohy ny fanolorana soso-kevitra avy amin’ny fiarahamonim-pirenena mba hifanaraka sy hisy fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka ny resaka fizakan-tany.

TT : Aiza ho aiza indray ny zava-misy eo amin’ny resaka fananantany ankehitriny ?

ER : Nijanona tamin’ny fiarovana ny zo ara-pananantany foana hatreto ny politikan’ny fananantany. Tokony hodinihana akaiky ny momba ny fandaminana fampiasana ny tany izay niezahan’ny mpanjanatany tsy noresahana mihitsy. Zava-dehibe anefa ny drafitra fanajariana ny tany ary ilaina hampidirina amin’ny fanavaozana ny politikan’ny fananantany ankehitriny. Nitombo 2,8% ny tahan’ny mponina izay tokony hifanaraka amin’ny filàna ara-tsakafo sy ny fomba fampiasana ny tany. 

TT : Efa niresaka tarehimarika ianao, inona no azo ambara momba ny fananantany eto Madagasikara ?

ER : Ao amin’ny tranokalan’ny «Observatoire du Foncier» no tena ahitana ireo karazana antontanisa. Azo lazaina anefa fa tena vitsy ny fifampivarotan-tany eo amin’ny samy Malagasy izay mifantoka betsaka amin’ny fifandovana. Tsy dia manan-danja ara-toekarena loatra ny resaka fananantany raha miainga amin’io zava-misy io fa mijanona eo amin’ny lafiny sosialy fotsiny ary tsy hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena velively. Mila jerena manokana ny fomba fampiasan’ny Malagasy ny tany eo amin’ny sehatry fanajariana mba hifandrindra amin’ny harena ankibon’ny tany eto an-toerana.

 

 

TT : Nanao ahoana kosa ny vokatra azo tao anatin’izay 11 taona nisian’ny SIF izay ?

ER : Anjara andraikitra sahanin’ny fiarahamonim-pirenena tahaka ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany ny mitaky sy mitondra ny zava-misy eo anatrehan’ny fanjakana. Mihaino izany ny mpitondra fanjakana izay hita taratra amin’ireo fanapahan-kevitra noraisin’ireo manampahefana toy ny tamin’ny taona 2005, fotoana nanavaozana ny politikan’ny fananantany.

TT : Inona kosa no vahaolana maharitra avy amin’ny SIF eo amin’ity resaka fananantany ity ?

ER : Tokony harindra ny fampiasana ny tany sahanin’ny eo anivon’ny fanajariana ny tany sy ny fizakan-tany ary koa ny fifandrindran’ny politika isan-tsehatra izay samy mampiasa tany. Ilaina koa ny tena vina Malagasy miainga amin’ny adihevitry ny samy Malagasy ho fitsinjovana ireo taranaka mandimby hatrany amin’ny 100 taona mahery izay mampiova ny fomba fitantanana ny firenena.

TT : Farany, tena tompony mangataka atiny ny Malagasy eo amin’ity resaka fananantany ity ankehitriny manoloana ny vahiny, ny fahitanao io tranga-javatra io ?

ER : Voararan’ny lalàna ny fanomezana ireo vahiny ny tany eto Madagasikara. Mitodika kokoa any amin’ny fampiasam-bola ny politikam-panjakana ankehitriny izay manome vahana ireo mpanam-bola vahiny. Maika loatra anefa ny mpitondra fanjakana amin’ny fanomezana tany ireo mpampiasa vola ho fampandrosoana an’i Madagasikara, hany ka adino tanteraka ireo fiarahamonina manodidina ifotony. Manana adidy ny fanjakana sy ny teknisianina hijery akaiky ny fiantraikan’ny fampiasam-bola ataon’ireo nahazo ny tany fa tsy mijanona fotsiny eo amin’ny fifanarahan’ny roa tonta.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT