Politique

Enin-taonan’ny 7 febroary Samy tsy hanatrika Ravalomanana sy Rajoelina


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Na dia nahazo fanasana tokoa aza dia tsy afaka ny hanatrika ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2009 ny sabotsy ho avy izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy mbola tena afaka tanteraka ny filoha Ravalomanana, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa omaly, ary tsy maintsy miera, mangataka fahazoan-dalana izy,

 

miaraka amin’ny mpiambina maromaro vao afaka mivoaka ny trano. Ankoatra izay dia fantatra fa tsy mbola manaiky ny hanatrehan’ity filoha teo aloha ity fivorivoriana na fihaonana an-kalamanjana ny fitondram-panjakana, ka izay no antony ihany koa tsy hahafahany manatrika ny fiaraha-mivavaka kasain’ny fikambanana AV7 hotanterahana eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy maraina izao. Niteraka resabe tokoa ity hoe Marc Ravalomanana hanatrika ny hetsiky ny AV7 ity tato anatin’ny herinandro izao. Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka, tao ireo mankasitraka, tao ireo tsy nankasitraka…Mazava izany izao ny resaka fa tsy hanatrika izy.

Tsy hanatrika ihany koa

Fa araka ny fantatra ihany koa dia tsy ho anisan’ireo hiatrika ny fahatsiarovana ny fahenin-taonan’ny 7 febroary ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina, izay mbola any am-pita ankehitriny ary mety tsy ho tafaverina eto Madagasikara mialoha ny sabotsy izao. Milaza hanatrika ny fanompoam-pivavahana eny Mahamasina no sady hametraka fehezam-boninkazo eny Antaninarenina kosa ry zareo Mapar elatra Andry Rajoelina amin’io sabotsy io, saingy na izany aza dia gaga no sady malahelo ihany ny amin’ny tsy maha eto an-toerana an’i Andry Rajoelina ireo olona nitondra takaitra sy namoy havana enin-taona lasa izay noho ny fitarihany ihany. Hatreto izany dia samy tsy hanatrika ny hetsika fahatsiarovana ny 7 febroary i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, ny mpamakafaka politika dia mihevitra fa misy ifandraisany amin’ny hetsika fampihavanam-pirenena izao, ka ankoatra ny tsy fahafahan’ireo filoha teo aloha maneho hevitra politika, momba ny fiainam-pirenena dia tsy afaka ny miseho amina famoriam-bahoaka ihany koa izy ireo.

Légende :Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana elanelanin’ny Pr Zafy  teny Ivato ny 27 janoary lasa teo

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT