Niala tamin’ny fahanginany ny antoko UNDD manoloana ny toe-draharaha miseho eto amin’ny firenena. Mampalahelo ny fampanjakana ny vola amin’ny fanaovana politika sy ny fametrahana ny fitantanana ny
firenena amin’ny herin’ny vola, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Emmanuel Rakotovahiny. Izany endri-javatra izany dia fanesoana ny vahoaka miady amin’ny fiainana isan’andro, hoy izy.
Manameloka ny fampiasan-kery sy ny fanitsakitsahana ny lalàna koa ny UNDD na inona na inona antony araka ny fanambarana nataony omaly, fa tsy hitondra amin’ny fitoniana izany ary tsy manaja ny fenitra demokratika sy repoblikana. Niantso ny rehetra handray lesona amin’ny lasa i Emmanuel Rakotovahiny hahafahana mandroso ho amin’ny tsaratsara kokoa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.