Herinandro taty aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa voafidy ho filoham-pirenena Malagasy i Andry Rajoelina dia nandefa taratasy fiarahabana azy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.
Amin’ny anaran’ny tenako manokana sy amin’ny anaran’ny vahoaka frantsay manontolo, dia faly miarahaba anao ny tenako amin’izao nahavoafidy anao ho filoham-pirenena izao. Amin’io safidy io, ny vahoaka Malagasy dia nampisongadina mazava tsara ny fanantenana napetrany taminao, hoy i Emmanuel Macron. Fantatro ny hagoavan’ny fanamby tsy maintsy hatrehan’i Madagasikara mandritra ny taona maro ho avy, mba hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena ary hamongorana ny fahantrana, hoy izy. Nilaza ny tenany fa hanamafy ny fanohanana an’i Madagagasikara i Frantsa, izay mpiara-miombon’antoka ara-tantara, mpifanolo-bodirindrina ary naman’i Madagasikara, amin’ny fanavaozana izay hataonao mba hahatrarana ireo tanjona ireo. Matokia ianao fa manana finiavana ny tenako hanamafy ny fifandraisantsika ara-politika, ny lafiny ara-toekarena sy ara-kolontsaina, izay mifototra amin’ny fifandraisana mafy orina ara-tantara sy ny maha olona. Nisaotra tamin’ny fanasana azy hanatrika ny lanonam-pianianana izay hatao ny 19 janoary ity filoha Frantsay ity, saingy tsy afaka manatrika izany, ka ny sekreteram-panjakana ao amin’ny minisitr’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, Atoa Jean-Baptiste Lemoyne, no hisolotena azy mandritra ny lanonana. An-kafaliana no handraisako anao aty Parisy, hanamafy sy hanome aina vaovao ny fiaraha-miasa eo amintsika, hoy i Emmanuel Macron. Tsara ny manamarika fa ao anatin’ny famahana ny grevin’ny “gilets jaunes” noho ny tsy fahafehezan’ny fanjakana ny olana ara-tsosialy ny fanjakana Frantsay ary nisy omaly ny fivoriambe niarahan’i Emmanuel Macron tamin’ireo olom-boafidy manodidina ny 600. Re moa fa ho avy eto ny filoha Frantsay teo aloha, Nicolas Sarkozy, izay malaza ho nanana dian-tanana tamin’ny raharaha 2009 teto amintsika, ny korontana tany Lybie niafara tamin’ny famonoana ny filoha Moaummar Kadhafi.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.