Politique

Elysée Ratsiraka sy ny MAPAR Raikitra sahady ny ady mangatsiaka ?


  • Alarobia 21 Oktobra 2015

Manomboka hita taratra sahady ny olana eo amin’ny samy Mapar ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.

 

 

 Ankoatra ny fanakianana ny fihetsiky ny ekipan’ny ben’ny tanàna mikasika ilay fitokonana nanomboka omaly, dia nisy koa ny fanakianana nataon’ireo Mapar ny olona nalain’ny ben’ny tanàna Elysée Ratsiraka hiara-kiasa aminy. Anisan’ny voatonona i Jean Maurice izay efa PDS lefitra faharoa ary nampisy olana tao amin’ny kaominina, indrindra ilay raharaha “Ambatovy”. Eo koa Rtoa Celestine Razafindravelo izay ben’ny tanàna TIM tsy lany tao Mahavelona Foulpointe, ary Jeneraly polisy Rakotoarisoa Jean Yves izay tsy nahafaly ny Mapar ny fitondrany Emmo-securité nefa mitokona am-pilaminana ireo mpiasa mitaky ny karamany. Tombanan’ny mpanara-baovao politika ao Toamasina fa tokony hanova fomba fihetsika sy fomba fiasa ary fomba fiteny ihany ingahy ben’ny tanàna raha te hilamina eo amin’ny toerana satria na ireo olona iray ankolafy aminy aza dia efa tsy faly amin’ny zavatra ataony, kanefa tsy mbola nisy iray volana akory no niasany.


 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT