Tapitra anio ny 72 ora nomen’ny HCC ny filoha Hery Rajaonarimampianina hanaovany ny fiarovantenany manoloana ny fitorian’ireo depioten’ny fanovana azy.
Miandry an’izay ho fanapahan-kevitry ny HCC izany isika hatreto. Rtoa Eliana Bezaza sekretera nasionalin’ny antoko PSD ankehitriny izay efa nitonona ho kandidà ho filoham- pirenena 2018 kosa anefa dia sahy manambara fa ny tsy fanajana ny fototra maha Repoblika an’i Madagasikara no tena manimba sy mamotika antsika Malagasy. Efa nisy io fototra io izay niorina tamin’ny 14 oktobra 1958, hoy izy, ka tokony hiverina hampiharina indray ankehitriny fa tsy hoe hamorona zava-baovao hafa tsy akory. Narefo ny Repoblika nisy teto amintsika hatramin’izay satria tsy tamin’ny fototra tena izy no nananganana ny rindrina nandrafitra azy. Nanaovana laboratoara nanandrankandramana teknikana Repoblika isan-karazany i Madagasikara, hoy hatrany ity mpanao politika ity, ka aleo miverina amin’ny fototra efa natsangana tamin’io 1958 io ka homena sehatra ny tanora araka ny filamatry ny PSD manao hoe : “Ambilay somain-jafy”. Marihako, hoy Rtoa Eliana Bezaza fa ny resaka lalàm-pifidianana hatrany no mahatonga olana eto amin’ity nosy ity. Ny hevitray PSD dia mazava ny amin’io, hoy izy. Tokony hampidirina amin’ny fifampiresahana sy fifampidinihana, raha hisy izany, ireo kandidà rehetra efa nanao fanambarana fa hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, mba hiara-kitady vahaolana iraisana satria izy ireo no voakasika mivantana amin’ity resaka ity amin’ny ankapobeny”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.