Politique

Eliana Bezaza Ain’ny toekarena ny fampianarana sy ny tontolo ambanivohitra


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Tokony hahazo ny fianarana tandrify azy ny Malagasy rehetra ary ho lasa ambony mba ho tombontsoan’ny toekarena, hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida filoham-pirenena atolotry ny antoko PSD, Eliana Bezaza.

 

Ilaina ary laharam-pahamehana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ho an’ireo olon-dehibe tsy mahay izany. Ny fanabeazana ihany mantsy no sehatra ahafahana mijery taratra sahady ny hoavin’ny tanora. Ankoatra izay, mila jerena manokana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Iaraha-mahalala fa any no miainga ny famokarana kanefa zary lasa anjorom-bala ireo tsantsaha amin’izao fotoana. Izy ireo no mamelona ny Malagasy satria ny 70% dia miaina amin’ny fambolena sy fiompiana avokoa ka rariny sy hitsiny raha hampiroboroboana io sehatra io. Mila jerena ny maha izy azy ny faritra tsirairay avy ka miainga amin’izay zava-misy ananany tombony any ny fampandrosoana. Ankoatra izay, Ilaina ny fanofanana ny tantsaha ho tena matihanina amin’ny fambolena sy fiompiana ataony hampandroso an’i Madagasikara sy tsy hampahantra intsony ny tantsaha Malagasy. Nanamafy i Eliana Bezaza ny amin’ny tokony hametrahana ny politikan’ny fanamaintisa-molaly ny tany rehetra mba tsy hananan’ny tantsaha mpamokatra ahiahy.

Tsirinasolo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT