Nanamafy tamin’ny antso an-tariby ny sabotsy teo ny avy eo anivon’ny mpandrindra ny fampihelezan-kevitry ny kandida ho filoham-pirenena,
Dama na Zafimahaleo Rasolofondraosolo, fa te hifanatrika amin’ireo kandida malaza ho favori 3 mirahalahy ny kandidan’izy ireo. Araka ny nambaran’ny isan’ireo mpandrindra, Hoby Rakotomalala, dia antony ny filana hamantatra marina ny tena fandaharan’asan’izy 3 mirahalahy ireto ao anatin’izao rafitra manome vahana ny vitsy an’isa izao. Manome vahana ny vitsy an’isa, hoy izy, mantsy ny rafitra misy ankehitriny. Araka ny efa voalaza moa dia takian’izy ireo ny hampitana amin’ny haino aman-jery ny adihevitra hifanaovana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.