Politique

Ekipan’ny 2009 Manomboka migafy sy mamotika indray


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Misesisesy ny karazana herisetra maro samihafa mahazo ny mpanohana ny kandida Marc Ravalomanana amin’izao. Olona manao akanjo misy ny laharana 25 no tratry ny daroka teny 67 Ha nataona olona manao akanjo t-shirt an’ny mpanohana an-dRajoelina andro maromaro izay.

 

 

 

 Fiara nanao fampielezan-kevitra no nifanena tamin’ny Kortezy tany Ambatofotsy, dia niharan’ny antsojay nopotehina, ka nisy ny fahasimbana lehibe. Mbola tsy nirava ny fihaonana tamin’ny vahoaka nataon’i Lalao Ravalomanana, dia tonga ny volomboasary tany Ankadinandriana, fa azy indray hono izao. Rehefa nirava dia nanaraka an’i Neny nankany an-tsena ny ankamaroan’ny vahoaka, ka nihanjahanja ireo olom-bitsy. Manomboka izany ny don-tandroka sy ny herisetra amin’izao fotoana izao, izay toa mampatsiahy ny 2009 ka izany indray ve no tadiavina haverina amin’izao fotoana izao. Mihevitra hatrany fa hahomby ny barofo sy ny ramatahora, saingy izany no vao mainka mampijoro ny vahoaka hanohana hatrany an’i Marc Ravalomanana ao anatin’ny filaminana sy ny fanajana ny hafa na eo aza ny hetraketraka. Isan’ny nanenjehana fatratra an’i Marc Ravalomanana moa ilay paikady nentiny kandida laharana faha-25 dia ny hafatra tamin’ny alalan’ny finday, saingy nangala-tahaka indray amin’izao fotoana izao. Resy lahatra amin’ny paikadin’i Marc Ravalomanana izany amin’izao, ka mba manao “copier coller” ihany koa fa tsy mba manan-kambo e! Ny soa tokoa angamba fianatra, fa tsy zavatra iray izay no nalaina tahaka fa efa maromaro, saingy miavaka eny foana ny vary sy ny tsiparifary.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT