Namaramparana ny fanangonana ireo voka-pifidianana azo avy eny anivon’ireo sampandraharaha mpikirakira fifidianana na SRMV omaly ny eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.
Tonga teny Alarobia hijery ny fomba fikirakiran’ity rafitra ity teny an-toerana omaly ny ekipam-pitantanana misahana ny fifidianana avy amin’ny kandida Marc Ravalomanana. Hatramin’ny omaly tolakandro dia vokatra avy amin’ireo SRMV miisa 30 amin’ny 119 misy manerana ny nosy no azon’ny CENI. Anisan’ny miteraka ahiahy ho an’ny ekipan’i Dada ny tsy fitovian’ny vokatra eo am-pelatanan’ny CENI sy ny azy ireo. Misy vokatry ny CENI, hoy ny solombavambahoaka, Hanitra Razafimanantsoa, tsy mifandraika amin’ny firaketana an-tsoratra am-pelatananay. 3 sa 4 andro lasa izahay solontenan’ny kandida no nangataka alalana tamin’ny CENI ny hanomezan’izy ireo anay ny torohay na “fichier” ahazoana ireo vokatra isak’ireo biraom-pifidianana manerana ny nosy ary nekena izany, hoy izy. Nony nitondra ny fitaovana hakana izany anefa izahay dia norarana indray. Ny fampitana vokatra isaky ny biraom-pifidianana mandeha eo imason’ny CENI na ny “ecran” anefa miova isaky ny 5 segaondra ary raha haka iary ianao dia tsy maintsy mbola handika tanana avy eo ary azo antoka fa tsy hahatratra ny fe--potoana omen’ny lalàna mihitsy. Mba isian’ny tena mangarahara, hoy hatrany ny ekipan’i Dada, dia tsy mitaky afa-tsy ny “Fichier électronique excel” isaky ny biraom-pifidianana izahay. Nisy moa ny fifampiresahan’ireto ekipa ireto tamin’ny tomponandraikitry ny CENI izay tsy navela natrehin’ny mpanao gazety. Mitaky ny hamoahan’ny CENI ny voka-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato manerana ny nosy ny komity manohana an’i Marc Ravalomanana
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.