Politique

Ekipan-dRavalomanana sy Rajoelina Samy nolazaina ho nitory tsy nisy porofo


  • Alarobia 09 Janoary 2019

Toy ny tamin’ny fihodinana voalohany ihany dia nolavina avokoa ny fitoriana mikasika ny tsy fahadiovan’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 19 desambra 2018 teo.

Nahavatra naka ohatra tamin’ny lalàna frantsay mihitsy ny teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mba nentina nanamarinana izany. Mampametra-panontaniana sahady ny tena dikan’ilay tenin’ny filohan’ity andrim-panjakana ity na dia efa nohazavainy aza izay nilaza, raha tsiahivina, hoe “ity taona 2018 ity dia fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny fanjakana Malagasy very sy novonoina ary nofafana tamin’ny fanjanahantany.” Fanambarana izay toa nifanipaka tamin’ny zava-nitranga omaly mihitsy, indrindra taorian’ny nandrenesana iny fakana ohatra tamin’ny lalan-dry zareo avy nanjanaka antsika iny. Samy nolazaina ho nitory tsy nisy porofo avokoa moa ny ekipan’ireo kandida roa na ny avy amin-dRavalomanana na ny avy amin-dRajoelina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT