“Tsy mahazaka resy”, “Tsy matoky tena”, “mpanao didy jadona”, sy ny maro hafa dia samy efa karazana fanaratsiana ataon’ireo ekipan’ny kandida ho filoham-pirenena laharana faha 13, Andry Rajoelina, ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana, avokoa.
Ny mahagaga ary andrasan’ny maro hatreto saingy tsy mety tanterahan’izy ireo mihitsy anefa dia ny manaporofo fa tsy nangalabato izany na nanao hosoka ny kandida tohanan’izy ireo. Fiteny politika entina mamendrofendro ireo olona mpanaradia an’ingahy Ravalomanana Marc ny lazain’izy ireo hoe hetsika fitakiana fahamarinana, hoy ny mpandrindram-paritry ny TGV Itasy, Andry Rakotondravoavy. Aiza ary anefa ireo porofo hahafahan’ny kandida Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy manamarina fa lainga avokoa ireo karazana hosoka efa nampirantiana tamin’ny fahitalavitra lehibe tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, ohatra. Dedaka ery ny mpomba ny kandidà Marc Ravalomanana nilaza hatrany fa miisa 1200 ny fitoriana napetrak’izy ireo teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Etsy ankilany anefa mbola mitaona olona hanao hetsika fanakorontanana etsy amin’ny 13 may ihany ry zareo, hoy indray ny filohan’ny antoko politika VHT, Norbert Razanakoto. Hatramin’ny 29 desambra, nanombohan’ny tolona teo Analakely, ka hatramin’ny omaly izay nanaovana diabe teny amin’ny prefektiora eny Tsimbazaza anefa dia nampiaiky volana ireo mpitarika ny hetsika mihitsy ny fahendren’ireo mpiara-mitolona satria tsy nisy fananan’olon-tsotra na fananam-panjakana heno hatreto hoe simba na voakitikitika. Mbola mitombona, hoy ireo mpitarika, ny maha hetsika am-pilaminana ny tolona etsy amin’ny 13 may fa tsy fanakorontanana velively. Raha fehezina dia hita ho fanaratsiana ny K 25 sy ny mpanaradia azy hatreto no tena imasoan’ny ekipan’ny kandida Andry Rajoelina fa tsy misy mety sahy manamarina fa tsy nanao hosoka izany mihitsy ny kandida laharana faha 13. Mampametra-panontaniana rahateo ny fahanginan’ity kandida voalaza farany ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.