Asa na mba fantatry ny foiben’ny HVM aty Antananarivo na ahoana fa dia raikitra ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ataon’ny kandidàn’ny HVM ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsifota any amin’ny distrikan’i Toliara II, 80 km avaratra andrefan’ny tanànan’i Toliara. Tamin’ny
fandalovanay tany an-toerana omaly, tao Tsifota sy Fihenena Masay, izay fokontany roa amin’ireo fito mandrafitra an’ity kaominina ambanivohitra vaovao nitambatra tamin’ny kaominina Manombo-Sud teo aloha ity, dia miranty eny rehetra eny mameno tanàna ny « poster » sy ny bileta misy ny sarin’ny kandidà Samuel Gérard sy ny laharany.
Mifafy ny vola
Ahitana an’ireto « poster » sy biletà HVM ireo avokoa na trano fisotroan-toaka (bar), toeram-pivarotana be mpivezivezy, hatramin’ny tranom-panjakana toy ny sekoly. Amin’ny andro tsena sy alahady dia tambazana vola sy zaraina « poster » sy bileta misy ny sary sy anarana ary laharany kandidà HVM, ary resena lahatra sahady hifidy ny antokom-panjakana amin’ny 31 jolay ho avy izao, ny mpiantsena na ireo hamonjy tsena sy ireo mpivavaka, raha ny fijoroana vavolombelona nataona sefo fokontany iray (L.M).
Miandry ny CENIT ny vahoaka
Mafy ny te ho « Maire », mandrovi-tsihy mamalan-kira sy tsy manara-dalàna ny sasany. Ny tranga toy izao no mampihena ny fitokisan’ny vahoaka ny mpanao politika matin-tseza ary manaratsy endrika ny mpitondra amin’ny fihoaram-pefy ataona kandidam-panjakana mamalan-kira tsy tan-dalàna. Miandry ny fandraisana andraikitry ny CENIT ny vahoaka any an-toerana amin’ny fampiharana ny lalàna sy hisian’ny mangarahara lavitry ny fitanilana.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.