Ny alarobia 24 desambra hariva no tonga teto Antananarivo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary nihazo avy hatrany an’i Faravohitra misy ny toeram-ponenany ka dia afaka niatrika soa aman-tsara ny fankalazana ny noely niaraka tamin’ny fianakaviany
Nangingina ny nahatongavany, tsy nisy fampahafantarana mialoha ary tsy nisy fiomanana be amin’ny resaka fitsenana na tahaka izany. Na ireo olon’ny ankolafy Ravalomanana aza dia tsy nahafantatra mialoha izao fiverenan’i Dada teto an-drenivohitra izao. Nisy mihitsy aza moa ny gazety sy filazam-baovao sasany nilaza fa hanao fety any am-ponja izany amin’ity 2014 ity ingahy Ravalomanana. Efa notaterina teto amin’ny Tia Tanindrazana ihany anefa ny talata 23 desambra lasa teo fa : « fifandaminana kely sisa no atao dia efa afaka hiala tanteraka any amin’ny toerana nihazonana azy amin’izay ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana». Ny ampitson’io, izany hoe ny alarobia 24 desambra dia tanteraka izany ary tafaverina eny Faravohitra izy. Nialoha ny famotsorana azy dia nisy aloha ilay filankevitry ny minisitra manokana natao teny Iavoloha ny alarobia antoandro nanapahan-kevitra ny amin’ny hamoahana ireo gadra politika. Araka ny resaka re hatry ny omaly dia hijanona hipetraka eny Faravohitra amin’izay Atoa Ravalomanana fa tsy hiverina any Antsiranana intsony na afindra toeran-kafa. Miantoka ny fiarovana azy tanteraka ny fitondram-panjakana ary efa misy ny mpitandro filaminana (miaramila, zandary, polisy) natokana ho amin’izany miasa 24 ora amin’ny 24 ora eny Faravohitra. Tsy mbola nilaza ny heviny moa na niresaka tamin’ny mpanao gazety Atoa Marc Ravalomanana, ka noho izany dia tsy fantatra mazava ny mety ho fandaharam-potoanany. Hijanona ao an-trano ve ? Mahazo mihaona aman’olona ve sa tsia ? Mety hisy ve ny fihaonany amin’ny filoham-pirenena ? Ho hita eo ihany ny tohiny fa ny zava-dehibe aloha dia hita fa miroso izany ny fampihavanana ary sambany tato anatin’ny 5 taona nisy zavatra nifanarahana ka tanteraka 5 andro taty aorian’ny nanasoniavana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.