Tato anatin’ny andro vitsvitsy izao dia samy nahatsikaritra izay mandalo eny Faravohitra eny fa efa misy ny olona maromaro tonga mihaona amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ao amin’ny trano fonenany.
Fifidianana ben’ny tanàna
Azo adika avy hatrany izany fa taorian’ny namotsorana azy ka tsy nanagadrana azy intsony tany amin’ny Amirauté Antsiranana ka niverenanany teny an-tranony dia efa afaka mihaona sy miresaka amin’ireo fianakaviany sy fianakaviana politikany amin’izay ity filoha teo aloha ity.Afaka nihaona tamin’ny ampahany amin’ireo solombavambahoaka miara-dia aminy ohatra Atoa Ravalomanana ny alahady 25 janoary lasa teo, ary ny alarobia sy omaly alakamisy dia nisy ihany koa ireo olona nihaona sy niresaka taminy teny Faravohitra.Tsiliantsofina no nandrenesana fa efa miomankomana amin’ny fiatrehena ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna i Dada sy ireo mpiara-dia aminy.
Tanjona 2018
Tombanan’ny mpanara-baovao politika fa ety tsy hoe ela intsony ihany koa dia hiresaka mivantana amin’ny mpanohana azy nitolona nandritra ny enin-taona eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka i Marc Ravalomanana ary afaka haneho hevitra amin’izay momba ny raharaham-pirenena.Mahaliana ny maro tokoa mantsy ny hahafantatra izay tena hevitr’ity filoha teo aloha ity, izay maro no mahita fa mbola ho kandida izy amin’ny 2018 ary ambony dia ambony ny herijika hahavoafidy azy ho filoham-pirenena indray.Tsara ho marihana fa nangiana tanteraka ny raharaham-pitsarana momba an’i Marc Ravalomanana hatramin’izay niverenany teto Madagasikara, ary araka ny fantatra dia tsy misy mpikitika , tsy misy mpanontany eny amin’ny fitsarana ny « dosie Ravalomanana ».Tsy misy resaka intsony ihany koa ny mikasika ny fomba nahatongavany teto na dia samy nilaza fa nanadihady ny momba izany aza ny fanjakana Malagasy sy Afrikanina Tatsimo.Fehiny dia malalaka sy afaka miaina tahaka ny olom-pirenena rehetra Atoa Ravalomanana ary manomboka miverina tsikelikely eo amin’ny sehatra politika ka ny nisantarany izany dia ny fandaminana ny ankolafiny sy ny fametrahana paikady politika vaovao satria efa niova endrika izao ny tolona
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.