Politique

Edito Very raha mihemotra


  • Talata 30 Oktobra 2018

Azo lazaina ho efa farahidiny ny fiainantsika Malagasy ankehitriny.

 

Samy miaiky ny ankamaroan’ireo nandinika sy naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena fa ambivitry ny lavaka mangitsokitsoka ny firenena ary hivarina an-kady tanteraka ity firenena ity raha mbola hampiainana krizy vaovao indray. Very tanteraka raha mbola mihemotra amin’izao ny toerana  misy ity nosy ity izao i Madagasikara. Tsy mitsaha-miakatra ny vidin-tsolika ary manara-dia ho azy izany ny vidim-piainana. Fifampihantsiana teo amin’ny samy vahoaka hatrany, izay norangitina mpanao politika sasantsasany foana anefa, rehefa nodinihina no loharanon’ireo korontana nitranga teto ary fery nijanona izay mbola azo lazaina fa tsy tena nikatona hatreto ny navelan’ny taona 2009. Dia mbola handrora mitsilany toy izay efa nampirisihin’ireo mpanao ampihimamba iraisampirena tao anatin’izay 60 taona izay ihany ve ? Aiza ny lokaloka nifanaovana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny volana aprily teo ? Tsy nanao toy ireny aza tamin’ireo fifidianana taloha mbola nahavita nanao lalao “nadiodio kokoa”. Ankehitriny, nolazaina fa velirano mihitsy no nifanaovana kanefa dia ireny sahady no zava-nitranga. Sa ve ny olon-dehibe no nanao ny velirano fa ny ankizy atao fitaovana sy hampirisihina hifamaly ? Tombontsoa ho an’iza anefa ? Sao dia mbola manohy ny toetrana ray aman-dreny mivaro-janaka amin’ny mpanao ampihimamba iraisampirenena re ny mpanao politika antsika ? Sao dia mitombina tokoa ny ohatra ataon’ny mpandinika sasany hoe mody tambazan’ireo hiraina ho mpamatsy vola 10% amin’izay ananany ireo mpisehatra vaventy amin’ny tontolo politika eto mba hakany ny 90% amin’ny harentsika ? Ny 1% ihany amin’io no mba mipitika aty amin’ny valalabemandry izay toa atosika hifamono ao anatin’izao fampielezankevitra izao. Mila misaina sy mitandrina ny rehetra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT