Mipetraka ho raiamandreny mpandamina ary manolotra vahaolana maharitra mba tsy hiverenan’ny krizy politika eto intsony i Edgard Razafindravahy, mpitari-dalana nasionalin’ny antoko ADN « Antoka sy Dinan’ny Nosy ».
Tsy misy afa-tsy ny fitsapan-kevi-bahoaka, hoy izy teny Soavina-Atsimondrano omaly, no hany vahaolana amin’izao disadisa politika tsy mety miravona izao. Niantso an’ireo mpifanandrina politika mba tsy hanao takalon’aina ny Vahoaka amin’ny politika politisiana sy ny krizy politika miverimberina eto amin’ny firenena intsony ny antoko ADN. “Tsy idiran'ny mpanao politika, tsy idiran'ny mpitondra, tsy idiran'ny mpanohitra, tsy idiran'ny vahiny na ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fikarakarana an’io fitsapan-kevi-bahoaka io. Azo atsangana ny komity isam-pokontany manodidina ny 18 000 amin’ny fikarakarana an’izany. Afaka mitondra ny anjara birikiny ny ADN raha ilaina ho an’ny tanindrazana. Tsy misy afa-tsy ny teny ierana eny ifotony no vahaolana. », hoy hatrany i Edgard Razafindravahy. Heverin’ity antoko ity fa ampy izay ny iray volana nifandiran’ireo mpanao politika niavian’izao krizy izao. Efa nohenoina avokoa ny feon’ireo mpifanandrina na ny an-daniny na ny an-kilany. Tsy maintsy halamina eny ifotony ny politika mba tsy ny politika any an-tampony no hangeja foana ny Vahoaka Malagasy. Mbola misy ny Vahoaka maro an'isa tsy miteny ka mila anontaniana ny heviny, indrindra mba hanomezany vahaolana maharitra amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka. “Mialoha ny hirosoana amin'ny fifidianana dia ampanetren-tena no hanolorako vahaolana maharitra sy manome lanja ny vahoaka malagasy. Aleo hirosoana aloha ny fitsapan-kevi-bahoaka mba hanehoan'ny Malagasy rehetra ny heviny amin'izay tena hahasoa ny Tanindrazana », hoy i Edgard Razafindravahy. Miantso an’ireo olom-pirenena tsotra maro an’isa, ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo raiamandreny ara-drazana sy ara-môraly ary ireo antoko politika mandala ny fitsinjovana ny soa iombonana ihany koa ny antoko ADN mba hitaky an’izao fanontaniana ny hevitry ny vahoaka eny ifotony izao mba ho fanorenana politika hahasoa ny tanindrazana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.