Politique

Edgar Razafindravahy “Fanorenana ifotony ihany no vahaolana eto”


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Raha nisy fotoana nanginany dia niverina niresaka politika indray omaly tao amina onjampeo tsy miankina iray Atoa Edgar Razafindravahy, filoha mpitari-dalana ny antoko ADN.

 

Aminy dia samy tsy hitondra voka-tsoa ho an’ny firenena na ny fikasana hanangana tetezamita vaovao na ny firosoana maimaika amin’ny fifidianana. Mampanontany tena ny tena tian’ireo kandida sy mpanao politika atao amin’ilay fihetsiketsehana fitakiana ny hanokafana ny lisi-pifidianana, hoy izy. Tsy hampiova na inona na inona anefa io, hoy izy. Raha ny fifidianana filoham-pirenena indray dia nambarany fa tsy hitondra vahaolana mihitsy ho an’ny firenena io raha mbola mivangongo eo am-pelatanan’ny olona iray ny fahefana. Azo atomboka amin’ny fotoana rehetra ilay fanorenana ifotony ka io no vahaolana. Tsy maintsy miainga eny ifotony ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena. Ny olana mantsy hatramin’izay dia ilay rafitra efa nampahantra antsika ihany no nampiasaina fa ny olona nitondra fotsiny no niova, hoy izy. Tsy mbola nisy mihitsy mpitondra nahavita ny fotoam-piasany ara-dalàna tao anatin’ny filaminana teto, hoy ny mpitarika ny antoko ADN, ka dia mbola hisisika amin’ny tsy mety ihany ary ve isika ?

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT