Hatramin’ny farany dia nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao rehetra ny antony nandavan’ny prefen’Antananarivo Renivohitra ny hampiasana ilay fahitalavitra vaventy na “ecran géant”
hampirantiana ireo karazana hosoka nitranga nanerana ny nosy nandritra iny fifidianana filoham-pirenena natao ny 19 desambra teo iny. Baiko avy aiza loatra ? Fikasana hilaza ny marina izany no tena fototry ny fandraisana fanapahan-kevitra hanapoahana baomba mandatsa-dranomaso teo amin’ny kianjan’ny 13 mey indray. Izany no mba “bonne année” nomena ireo vahoaka marobe nangetaheta fahamarinana tonga teny an-toerana. Mahana tamin’ny ratsy nataony tokoa ve ny ekipan-dry Rajoelina ka nanao izay ho afany rehetra tsy hahafantaran’ny vahoaka Malagasy izany ? Iza avy ireo tena matahotra ny hivoahan’ny marina amin’izy ireo ? Ny minisitry ny atitany sa ny praiminisitra sa ny kandida laharana faha-13 sa izy rehetra mihitsy miaraka amina ekipa hafa marobe ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.