Efa fanaon’i Dokotera Rakotomanana Gervais ho fanampiana ireo vahoaka sahirana isaky ny boriborintany 5 ao Toamasina, ny famorana na didimpoitra faobe izay iarahany miasa amin’ireo mpitsabo mpanampy sy mpitsabo ihany koa. Tamin’ity taona ity dia ny fikambanana
“FMT na Fikambanana Miaro an’i Toamasina” no nifanampy taminy nanao izany, ka 100 isaky ny boriborintany 5 no nokendrena nanaovana izany. Vokatry ny fahalafosan’ny fanaovana ity famorana na didimpoitra ity izay manodidina ny 30.000 ariary hatramin’ny 100.000 ariary arakaraka ny fomba anaovana azy, dia betsaka ireo zaza no tsy vita na miandry ny hetsika fanampiana ara-tsosialy tahaka izao, hany ka 2 taona ny kely indrindra raha nahatratra 15 taona ny lehibe no natao ny sabotsy teo. Ho an’i Dr Rakotomanana Gervais sy ny fikambanana FMT niaraka taminy dia santatra aloha ny natao ny sabotsy teo, fa mbola ho avy ny tohiny mba ho vita fora avokoa ny zazalahy ao Toamasina izay tafiditra amin’ny fomban-drazana Malagasy. Tsy vitan’ny famorana ihany no natao fa teo koa ny fikarakarana ara-pahasalamana ireo zazalahy voafora sy ny fanomezana kely azy ireo ho solon’ny ranomaso nilatsaka nandritra ny fandidiana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.