Ao anatin’ny fanomanana ny fomba rehetra hiatrehana ny fifidianana ny Tiako I Madagasikara (TIM) Toamasina ankehitriny. Nametraka olona tsy vaovao amin’i Toamasina ny antoko dia ny Ben’ny tanŕna teo aloha ihany Dr Rakotomanana Gervais.
Nesorin’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) teo amin’ny toeran’ny Ben’ny tanàna i Dr Rakotomanana Gervais tamin’ny 2009, amin’ny maha TIM azy. Ny praiminisitra Jly Camille Vital mihitsy no tonga tao Toamasina nanatanteraka ny fanalana azy, araka ny taratasy fanamarinana nataon’Atoa Toalina Zafindrabary, PDS ankehitriny. Tsy ho mpiana-draharaha na olom-baovao amin’ny fitantanana ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina i Dr Rakotomanana Gervais, fa olona ampy traikefa satria ireo fanamby nataony dia tanterany nandritra ny fitantanany ny Kaominina. Indrisy anefa fa izao miverina gaboraraka tsy voafehy izao i Toamasina renivohitra. Anisan’ny tanjona napetrany tamin’izay, izay mbola nohamafisiny fa hotohizany amin’izao firotsahany izao indray, ny hoe : “Toamasina Mazava – Toamasina Madio – Toamasina Mandroso”. Tanjona napetrany miaraka amin’ny antoko Tiako I Madagasikara nanolotra azy sy ny ekipan’ny mpanolotsaina izay tarihan’Atoa Andrianiarifera Malalaniaina, dia ny hametraka ny maha kapitaly ekonomika an’i Toamasina izay tanjon’ny fanjakana Ravalomanana tamin’ny fotoana nitantanany ny Kaominina rahateo koa. Vokatr’izany, dia be ny asa miandry amin’ny fanarenana ny tanànan’i Toamasina amin’ny zava-manjo azy ankehitriny izao. Na izany aza dia nilaza i Dr Rakotomanana Gervais fa tsy hihemotra na hiamboho adidy noho ny tombontsoan’ny vahoakan’i Toamasina sy ny firenena Malagasy amin’ny maha tanàn-dehibe faharoa eto Madagasikara an’i Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.