« Misaotra an’Andriamanitra fa nivaly ny vavaka », hoy i Dr Rado Razafindratsimba izay vao lany indray hitantana mandritra ny 4 taona manaraka indray ny kaominin’i Talatamaty
ditrikan’Ambohidratrimo. « Tena nisy tokoa ny tebiteby samihafa noho ireo fitoriana natao tamin’ny tena izay tsy latsaky ny 11 tany ho any, hoy izy, nefa tsy nisy nitombina na iray aza fa napetraka teo anatrehan’Andriamanitra ny fanahiana rehetra. Efa nangataka tamin’Andriamanitra ihany koa moa ny tena hoe « aza atao lasa ho ben’ny tanàna aho Tompo raha toa ka misy iray amin’ireo fitoriana ireo no marina satria mandika ny didinao aho izany ». Tsy nisy marina moa araka ny voalaza teo izy ireny ka izao lany soa aman-tsara izao ny tena fa tena mahery ny vavaka. Mikasika ny ho tohin’ny tantara dia ambarako, hoy ity filohan’ny fikambanana Ny Antsika ity, fa « tsy mampatahotra ahy na mbola misy aza ny fitoriana resaka “pénale” nataon’ireo kandidà nifaninana tamin’ny tena fa vonona ny hiatrika izany am-pitoniana izahay ary antenaina fa mbola fandresena tahaka izao koa no ho azo amin’izany satria efa fantatra ny ny roa tamin’izy ireo ihany no nanao izany fanalam-baraka tamin’ny hoe fanaovana trakta izany. Koa dia misaotra tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny tenako ary misaotra koa ny vahoakan’i Talatamaty izay hendry tokoa tamin’ny fiatrehana ny fifidianana sy fiandrasana ny valiny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.