Politique

Dr Rado Razafindratsimba Mbola lany ho ben’ny tanŕna indray ao Talatamaty


  • Alatsinainy 21 Septambra 2015

« Misaotra an’Andriamanitra fa nivaly ny vavaka », hoy i Dr Rado Razafindratsimba izay vao lany indray hitantana mandritra ny 4 taoana manaraka ny kaominin’i Talatamaty ditrikan’Ambohidratrimo. « Tena nisy tokoa ny tebiteby samihafa noho ireo fitoriana natao tamin’ny tena izay tsy latsaky ny 11 tany ho any, hoy izy,

 

  nefa tsy nisy nitombina na iray aza fa napetraka teo anatrehan’Andriamanitra ny fanahiana rehetra. Efa nangata-bavaka tamin’Andriamanitra ihany koa moa ny tena hoe « aza atao lasa ho beny aho Tompo raha toa ka misy iray amin’ireo fitoriana ireo no marina satria mandika ny didinao aho izany ». Tsy nisy marina moa araka ny voalaza teo izy ireny ka izao lany soa aman-tsara izao ny tena fa tena mahery ny vavaka. Mikasika ny ho tohin’ny tantara dia ambarako, hoy ity filohan’ny fikambanana Ny Antsika ity,  fa « tsy mampatahotra ahy na mbola misy aza ny fitoriana resaka “pénale” nataon’ireo kandidà nifaninana tamin’ny tena fa vonona ny hiatrika izany am-pitoniana izahay ary antenaina fa mbola fandresena tahaka izao koa no ho azo amin’izany satria efa fantatra ny ny roa tamin’izy ireo ihany no nanao izany fanalambaraka tamin’ny hoe fanaovana trakta izany. Koa dia misaotra tamin’ny didy navoakan’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny tenako ary misaotra koa ny vahoakan’i Talatamaty izay hendry tokoa tamin’ny fiatrehana ny fifidianana sy fiandrasana ny valiny. Hanompo ny vahoaka aho fa tsy ho tompon’ny vahoaka ary hanatsara ireo mbola tsy vita nandritra ny 7 taona nitantanana. Vonona hiara-hiasa amin’ireo mpifaninana tamiko aho na nisy aza ny tsy fitovian-kevitra  fa misy praograma tsara ho an’ny vahoaka narosonareo ka miantso anareo aho hiaraka hanatanteraka izany ho azy ireo.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT