Politique

Dr Patrice Ratsimbason “Diso lalana tanteraka ny mpitondra ankehitriny”


  • Alakamisy 20 Novambra 2014

Diso lalana tanteraka ny mpitondra ankehitriny raha ny fijerin’i Dokotera Patrice Ratsimbason. Saika ny mpandraharaha avy any ivelany sy ny sehatra iraisam-pirenena, hoy izy no tena mibaiko ny mpitondra amin’izao fotoana ary efa hita taratra hatrany amin’ny fanomanana ny fifidianana ka hatramin’izao

Nampanantenaina isika fa hisy ny tohana raha vita ny fifidianana, kanefa hatramin’izao tsy nisy ny fanampiana avy tamin’ireo firenen-dehibe ireo. Ny mampalahelo amin’ny mpitondra ankehitriny, hoy hatrany ity mpikambana tao amin’ny CST ity dia ny tsy fanampian’ny mpitondra ireo ny mpandraharaha Malagasy fa toa ny famotehana azy ireo aza no mitranga fa ny mpandraharaha vahiny no avela hanjakazaka eto kanefa kely dia kely ny vola arotsak’izy ireo ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Rariny raha mitranga ny korontana sy ny asan-jiolahy isan-karazany ankehitriny satria tsy misy asa ny tanora ary tsy mahazo tohana amin’ny fanjakana izy ireo raha mihoatra amin’ny vahiny ka dia aleon’izy ireo manao asan-jiolahy. Diso fanantenana tanteraka ny vahoaka tato anatin’izay herin-taona nahavitan’ny fifidianana izay raha ny fahitan’i Dr Patrice Ratsimbason azy.Betsaka mantsy no nanantena fa aorian’ny fifidianana dia hizotra am-pilaminana amin’izay ny fiainan’ny Malagasy saingy tsy izay no mitranga fa variana amin’ny adi-lahy politika ny mpitondra tato anatin’ny taona iray,ka mitodi-damosina azy ireo ny vahoaka izay tsy mahita mangirana amin’ny fiainana.Tokony hitodika amin’ny Malagasy araka izany ny mpitondra amin’ny lafiny fanohanana sy fampandrosoana fa tsy ny fampidirana karazam-bahiny eto Madagasikara ho toy ny mpanjanaka vaovao indray no hihazakazahana.Tsy miteraka fampandrosoana ho an-tsika mihitsy mantsy ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena fa hatramin’ny fitondran’ny Amiraly no nisian’ireo kanefa tsy nampandroso an-tsika izany,ary jereo fa ny firenena tao aorianantsika aza, izay tsy niaraka tamin’ireo dia efa mandroso lavitra fa isika mihermotra hatrany, hoy izy namarana ny teniny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

Hijery ny tohiny
FTT