Lasa ny kolonely tonga ny dokotera. Hafaliana no nandrenesan'ny vahoakan'Anosy fa Dr Loyola Luc Brechard no voatendry hisolo toerana ny lehiben'ny faritra teo aloha.
Efa ela no niandrasana izao fanovana izao. Maro no efa miarahaba sahady ity tompon’andraikitra vaovao ao amin'ny faritra ity. Talohan'ny nanendrena azy ho lehiben'ny faritra vaovao dia mpiasan'ny fasimainty Rio-Qmm ny tenany ary efa lehiben'ny faritra teo aloha tany amin'iny Faritra Androy tamin'ny fitondran'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Midika izao fanendrena izao fa hanarina haingana ny faritra no ho laharam-pahamehana. Ao aminy ny ilaina satria sady teknisianina no mahay tsara ny tontolon'ny fampandrosoana i Dr Loyola Luc Brechard. Mametraka fanantenana lehibe amin'ity lehiben'ny faritra vaovao ity avokoa ny vahoakan'Anosy. Mahakasika izay fanendrena ny lehiben'ny faritra vaovao izay, ny marainan'ny alakamisy teo avy hatrany dia namory ireo mpiara-miasa aminy ny lehiben'ny faritra teo aloha mba hiomana sahady amin'ny famindram-pahefana. Ny asa fampandrosoana rahateo tsy mila miandry.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.