Politique

Dr Jules Etienne « Tena mila vonjy ny fampianarana »


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Nahavita ampahany amin’ny dingana voalohany amin`ny fifidianana ho filoham-pirenena i Dr Jules Etienne.

 Izy no kandidà fahadimy nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho filohan’ny Repoblika hatramin’izay nisokafan’ny fe-potoana voafaritry ny lalàna hanaovana ny fanaterana izay. Ny sosialim-bahoaka no anisan`ny atao laharam-pahamena ho an`ity kandidà avy amin`ny antoko MAdagasikara FIvoarana (MAFI). Ny tena mampiavaka ahy dia ny maha dokotera ahy satria ny dokotera tsy mamono olona fa mitsabo olona, hoy ny tenany. Misy “urgences” eto Madagasikara ka anisan`izany ny lafiny fampianarana izay misedra olana ankehitriny. Milaza fa efa vonona izy sady manana ekipa vonona. Efa ela no niomanany amin`ity fifidianana ity ary manana programa sy vinam-piarahamonina amin`ny fiainan`ny Malagasy.  Momba ny fanatanterahana ny fikarakarana fifidianana kosa dia mametraka fitokisana feno amin`ny CENI ny avy amin`ny kandidà Jules Etienne sady nohamafisiny fa ny fifidianana no andrasan`ny vahoaka. Anisan’ny andrandrain’ny mpanara-baovao maro, ny fanehoan-kevitr’ity minisitra teo aloha ity mahakasika ny raharaham-pirenena, ny fironany ara-politika, ny fiainan’ny antokony ary izy izao miroso manatevin-daharana tanteraka ireo mpilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Tsiahivina fa ny 05 aprily lasa teo ny dokotera Rolland Jules Etienne no nanao fanambarana ofisialy fa anisan`ny hilatsaka hofidiana ho filohan`ny Repoblika. Nilaza izy fa ho kandidan`ny fisokafana ary vonona hiara-kiasa amin`ny rehetra na amin-dRajoelina na Ravalomanana … Efa nambarany ihany koa fa rehefa tonga eo amin`ny fitondrana ny tenany dia hosoloiny ho prezidam-pokonolona ny sefom-pokotany ary ahena ny tetibolan`ny fiadidiana ny Repoblika mba homena ny fokonolona.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT