Simba tanteraka ny hasin'ny vehivavy Malagasy hoy ny dokotera Jules Etienne anisan'ireo kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahina ny 07 novambra ho avy izao.
Izy ireny anefa hoy izy no loharano niopoiran'ny tsirairay, antony nanosika azy sy ny vady andefimandriny hamolavola tetikasa entina hanarenana izany. Nihaona tamin'ny vahoakan'Antananarivo teny amin'ny espace Dera Tsiadana izy mivady ny Sabotsy folakandro teo notronina solontena roa isam-pokontany. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa tsy azo ekena intsony ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika. Toraka izany koa ny fanaovana ny tsenan'Ampela izay mamotika vehivavy maro. Efa nisy ihany koa izy ireo ny fanaovan'i Madagasikara sonia entina hanoherana izany saingy ny fampiharana ny lalana no tsy ampy. Ankoatra izay dia fantatra fa manana tetikasa maro loha ihany koa izy ireo entina hanampiana ireo zaza Malagasy mba hahafahan'ireto farany manohy ny fianarany hatrany amin'ny ambaratonga ambony kfa tsy hisy ho raraka. Lohalaharana amin'izay ny fametrahana cantine scolaire any amina toerana lavitr'andrina nefa misy mpianatra. Marobe amin'ireo zaza Malagasy mantsy hoy ny dokotera Jules Etienne no mandeha manovo fahalalana any amin'ny 5 km miala ny trano fonenany dia an-tongotra mandroso sy miverina. Ireo Reny tsy an'asa amin'ny toerana hanaovana io tetikasa io no hampiasaina hahandro sakafo amin'izany ka sady voky ny ankizy no mihatsara ihany koa ny fidiram-bola eny anivon'ny tokantrano. Anisan'ny tetikasa hapetraky ny MAFI ihany koa ny fametrahana ilay bus medicaux mandehandeha hahafahana manatona ireo olona tsy salama eny anivon'ny Fokontany tsy manana fahafahana ny hitsabo tena ka tafiditra ao anatin'izany ireo vehivavy miteraka. Tsy ho latsa-danja amin'izany ireo vehivavy mpanao asa tanana izay fantatra fa hotohanana ara-bola manokana mihitsy hahafahan'izy ireny mivelona sy mivelatra. Nampahatsiahivin'ny dokotera Jules Etienne moa fa anisan'ny tetikasa efa saika hataony io fanohanana ny vehivavy mpandraharaha io fony izy mbola Ministry ny indostria.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.