Politique

Dr Jules Andriamaholison “Manatsara paikady ny K25”


  • Zoma 30 Novambra 2018

Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny mpandinika politika Dr Jules Andriamaholison, mpikambana ao anatin’ny K25. Mazava ireny vokatra nomen’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly ireny.

 

 

 

 Ny fifidianana fihodinana voalohany no vita fa ho avy ny faharoa. Izahay na iray segaondra aza dia tsy nieritreritra voka-pifidianana hitsimbadika hoe hisy kandida hampandresena fihodinana voalohany, ary manonofy ny olona nilaza izany, hoy izy, ary iny niaraha-nahita omaly iny tokoa. Fahatsapan’i Marc Ravalomanana fa nisy ny ezaka saingy mbola tokony hampiana no nahatongavan’ny K25. Betsaka ny olona te hanohana kanefa tsy te hiditra na any amin’ny TIM na any amin’ny KMMR, ka izay no nahatonga ny kandida Marc Ravalomanana nanokatra kokoa izany. Mamondrona na ny TIM na ny KMMR na ny CSDE (komity manohana ny fampandrosoana sy ny fahamarinana), eny ny olon-drehetra io K25 io. Ny tanjona dia ny fandresena, ka tsy misy ny fanilikilihana ary ireny efa niaraha-naheno ireny ny fanambaran’ny kandida Marc Ravalomanana fa misokatra amin’ny rehetra. Hararaotina ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny Malagasy, ary any ambanivohitra aza dia raviravezana vola. Tsy isika ihany no nahita an’io, fa nisy hatramin’ny tatitry ny avy any ivelany, saingy ny kandida Marc Ravalomanana tsy mba tao anatin’izany, hoy izy. Vonona ny K25, ary efa midina ifotony manapariaka izany. Misy tsikaritra ihany ary azo lazaina ho ambony be ny resaka fiandanian’ny fahefam-panjakana. Mandeha ny fampihorohoroana raha vao manonona fotsiny mikasika ny kandida Marc Ravalomanana, re ny fampiasana ny fananam-panjakana,… ka tokony hosorohana amin’ny fihodinana faharoa, hoy ny Dr Jules Andriamaholison. Nisy ny lesoka tamin’ny fihodinana voalohany fa hareninay avokoa izany, hoy hatrany izy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT