Telo mianadahy no hifaninana amin’Atoa Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Ampasikely Distrikan’Amparafaravola. Eo Rtoa Saholy mpitarika fikambanam-behivavy ao Ampasikely izay hatolotry ny antoko Tiako I Madagasikara.
Tombony ho azy ny fananany ireo andriambavilanitra marobe isak’ireo Fokontany mamaritra ny kaominina Ampasikely. Mbola nanamafy ny fahavononany hitantana fanindroany ny tanànan’Ampasikely koa ny Ben’ny tanàna ankehitriny Atoa Ferdinand Naka, kandida natolotry ny antoko HVM. Ny vahoaka no ho tompon’ ny teny farany, fa raha ny fahitana azy efatra mianadahy hifaninana ao amin’ny Kaominina Ampasikely ireo dia hita fa kandida samy manana ny hanitra ho azy. Tsikaritra fa samy mirehareha ho mahatarika vahoaka izy ireo fa ny amin’ny 31 jolay no ahitana ny hevitry ny mponina ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampasikely.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.