Politique

Dr Jean Louis Robinson Kandida Ben’ny tanŕna any Ampasikely Amparafaravola


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Kandida Ben’ny tanŕna any amin’ny kaominin’Ampasikely any amin’ny Distrikan’Amparafaravola any amin’ny faritra Alaotra Mangoro i Dokotera Jean Louis Robinson filohan’ny antoko Avana.

 

Vaovao somary nanaitra ihany ny maheno kandida nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo lasa kandida ho ben’ny tanàna. Tsotra anefa ny antony  araka ny fanazavana nomeny dia ny mba ho fanasoavana ny mpiray tanindrazana no  nahatonga ilay fanapahan-kevitra no sady toerana niaviany rahateo Ampasikely. Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly dia nanazava ny antony nahatonga ny antoko Avana niditra  ao amin’ny AR-MADA na ny Alliance Républicaine de  Madagascar  i dokotera Robinson Jean Louis. Ny antony lehibe indrindra, hoy izy dia ny fiarovana ny sata repoblikanina. Nandray anjara tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ary tsara laharana avokoa ireo antoko ireo. Nanaiky tamim-panajana ny voka-pifidianana  izay nahalany ny Filoha ankehitriny ireo antoko dimy ireo saingy manohitra kosa ny fanjakana tsy refesi-mandidy. Mikasika ny fampihavanam-pirenena kosa indray dia nandroso hevitra ny filohan’ny antoko Avana ny hanaovana ny anarany hoe Fanehoana firaisankinam-pirenena  ka afaka mandray anjara avokoa ny rehetra.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT