Politique

Dr Emile Ratefinanahary Tsy azo hihodivirana ny fihodinana faharoa


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Nanao fanambarana sy fanehoan-kevitra momba ny toe-draharaham-pirenena, indrindra fa ny fifidianana filoham-pirenena ny Dr Emile Ratefinanahary, mpandrindra nasionalin’ny fikambanana OHT sady filoha nasionalin’ny antoko politika OHF.

 

 

Tsy azo ihodivirana fa tsy maintsy misy ny fihodinana faharoa, hoy izy. Izao no antony : ny hamaroan’ny Kandidà (36), ny 33 dia hahazo eo amin’ny 15 hatramin’ny 20%  eo ny fitambarany, miampy ny an’ny kandida Hery Rajaonarimampianina 10% eo dia lasa 25 hatramin’ny 30% raha ny fanehoan-keviny. Noho izany, ny 70% no hifampizaran’izy mirahalahy mianaka dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, izany hoe ireto farany no hiatrika ny fihodinana faharoa. Mizara ary samy misy Distrika andresen’izy ireo avy ny faritra rehetra. Ohatra : Menabe : Mahabo mandresy Ravalomanana, Morondava mandresy Rajoelina; Amoron’i Mania : Fandriana = Rajoelina, Ambatofinandrahana = Ravalomanana,… Tena mandiso ny fanapahan-kevitra nataon’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena tamin’ny 2013 dia ny “ni…ni…” izao vokatra izao ary nohamafisin’ny Vahoaka Malagasy tamin’ny latsa-bato fa izy mirahalahy mianaka ireo no ankafiziny, hoy hatrany ny Dr Emile Ratefinanahary. Noho izany « Combat differe de 2013 » ity 2018 ity ary nanasaziany ny mpitondra HVM, raha ny heviny.  Manao antso ho an’ireo kandidà rehetra, indrindra Ravalomanana sy Rajoelina samy hampirina ny hambom-pony ka tsy hijery afa tsy ny tombontsoa iombonan’ny Malagasy sy ny firenena. Efa tena sahirana ny Malagasy ka tsy mila korontana. Izahay OHT, hoy izy, dia mametraka ny fanaovana politika matihanina hitantanana ny firenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT